Nosokafanana tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny faha-30 taona ny Paositra Rapida. Vanim-potoana hametrahany ireo fanamby vaovao sy goavana ary tolotra tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. «Mivoitra manaraka ny toetrandro ny Paositra Rapida amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra hamantaran’ny mpanjifa ny fotoana ahatongavan’ny entany amin’ny sarany mora indrindra», hoy ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Paositra Malagasy, Andrianasolo Rija, omaly, teny Ankorondrano. Notsindriany manokana fa hanampy amin’ny fanaraha-maso amin’ny fotoana rehetra ny entana ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Anisan’ ireo fanamby apetraka ny fanitarana ny tambazotra sy handrakofana izany manerana ny Nosy. Ankoatra izay, laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fifandraisana amin’ireo mpiasa ho an’ ny tombontsoa ny rehetra.
Tsy hitsanga-menatra manoloana ireo mpifaninana aminy ny Paositra Rapida. Filamatra apetraka ny fanomezana tolotra tsara kalitao amin’ny sarany mora indrindra. Mampiavaka ny Paositra Rapida ny fahatongavan’ny entana any amin’ireo faritra lavi-toerana noho ny fananany masoivoho 250 manerana ny Nosy. Azo antoka sy haingana ihany koa ny fandefasana entana, nohamafisina ihany koa ny fifandraisany amin’ny mpanjifa. Marihina fa manampy ireo mpifindra monina amin’ny fitaterana entana izy ary koa mpamatsy fanafody an’ireo « Pharama-gros ».
Henintsoa