SIGNRF – Fitantanana : Manamora ny fandoavam-bolam-panajakana

Dingana vaovao ao anatin’ny politikam-pitantanana ny volam-panjakana ny fampiasana ny niomerika sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo, teny amin’ny Novotel, ny fitaovana ahafahan’ny olon-tsotra mandoa ireo vola tokony ho aloany eny anivon’ny biraom-panjakana ankoatra ny hetra.
« Système d’information de gestion des recettes non fiscales » (SIGRNF). Miara-miasa tanteraka amin’ireo orinasam-pifandraisana mikirakira ny « mobile money » ny fitondram-panjakana hanatanterahana ny tetikasa. « Tan­jona ny hanalefahana ny fahasahiranana mety hitranga, hampangarahara ny fitantanam-bolam-panjakana sy ho tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka malagasy », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarini­rinarison Rindra Hasimbelo, nandritra ny fanolorana ny tetikasa.
Azo ampiasaina amin’ny fotoana rehetra ity vovonana novolavolain’ny tahirim-bolam-panjakana ity. Handoavana ireo « droits de stationnements, droit d’Etat civil, produits des établissements publics » izany. Ao anatin’izay koa ny hetra tsena, vola aloa hikarakarana ny taratasy fahazoan-dalana hitondra fiara, vola haloa hanaovana fifaninam-panjakana, fanamboarana pasipaoro sy ny maro hafa. « Maharay hafatra manamarina avy hatrany ny vola naloany ny mpanjifa vantany vao mampiasa azy. Misy ihany koa ny QR Code ahafahany mijery izany”, hoy ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana, Rajaofetra Andry Nirina.

Henintsoa

Partager sur: