VAOVAO TAMBATRA

Miisa 63 567 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Tafakatra 780 626 430,4 tapitrisa dolara na koa 3 548 598 190 414,5 Ar ny vola azo avy amin’ny ity sehatra ity nandritra ny taona 2024, izay nandraisana mpizahatany mitotaly 316 873. Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy miteraka asa ny fizahantany. Miisa 2 778 ny asa niforona tamin’ny taon-dasa.
Manohana sy manandratra avo ny vokatra malagasy ny hetsika « journée des branches de production nationales » atao eny amin’ny kianja Barea, amin’ity herinandro ity. Hamelabelatra ny tontolon’ny indostria malagasy sy ny vokatra ataony ireo manam-pahaizana sy mpisehatra mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika. Tsara kalitao ny vokatra eto amintsika ka mila tohanana ho fampandrosoana ny toekarena eto an-toerana.
Vita Sonia nandritra ny atrikasa natao tany Ambilobe ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny mpamboly fary sy ny orinasa mpanodim-bokatra. Tanjona ny hampiakatra 844 000 t ny fary madio azo hamidy hampakarana ny voka-tsiramamy ho lasa 96 000 t, ho an’ny taom-pamokarana 2025. Hojerena ny olana eo anivon’ny fiaraha-monina momba ny famokarana. Haharitra ihany koa ny paikady mirindra ho fampandrosoana ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra.

Partager sur: