Famokarana tongolo: Ividianana fitaovana ny tombom-barotra

Mananosarotra ny fitadiavana famatsiam-bola ho an’ireo mpamokatra tongolo enti-mampiroborobo ny famokarana. Sakana ny fahazoana fampitaovana hanatsarana ny fihariana, voatery atao sorona ny tombom-barotra ahafahana misitraka fitaovana sy fotodrafitrasa.

Mazàna, sakana ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana ny olan’ny famatsiam-bola sy ny fitaovana enti-miasa. « Ho an’ny mpisehatra amin’ny tongolo dia voatery ny tombom-barotra no hividianana fitaovana. Mila antoka toy ny tany ihany koa ny fahazoana famatsiam-bola nefa mbola vitsy ireo tantsaha nahavita nanoratra ny taniny », hoy ny tomponandraikitra ara-teknika ny OPR Fimpao (fikambanan’ny mpamboly tongolo) Iho­rombe, Ravololonjatovo La­laina. Vahaolana, araka izany, ny fanarahana fampiofanana amin’ny alalan’ny fandaharanasa Défis, hanatsarana sy hampiroboroboana ny vokatra sy ny fahazoana masomboly ialana amin’ny fahalafosany. Manampy amin’ny fidiram-bola sy manatsara ny fihariana ny torohay omena sy ny traikefa zaraina.
Ankehitriny, miezaka miditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ihany koa ny ankamaroan’ny tantsaha mba hisitrahany ireo tombontsoa samihafa hatramin’ny fitadiavana lalam-barotra.
Ankoatra izay, olana sedrain’ireo mpamboly tongolo any Atsimo ny fahazoana rano. « Miezaka mifampiraharaha ny samy mpamokatra ». Ao ireo manao fifanakalozana, misy kosa ireo mampiditra rano raha toa miezaka manao vovo ireo manan-katao hampiasaina amin’ny famokarana.

Tsena
Teo aloha, nidangana ny vidina tongolo teny an-tsena, tafakatra hatrany amin’ny 8 000Ar ny kilao. Nitaraina ireo mpanjifa. Vidiana 60 000Ar ihany koa ny kapoaka (kp) ny masomboly ka nananosarotra ny fahitana sy ny fividianana izany. « Vitsy ireo tantsaha nanana fahefana nividianana masomboly lafo. Nangonin’ireo teratany sinoa ihany koa ny masomboly teto amintsika ka naondrany tany Sina entiny hamokarany », hoy ny tantsaha. Vokany, vitsy ny vokatra teto amintsika, ratsy ihany koa ny tsena.
Manomboka mihena ny vidina masomboly amin’izao fotoana, vidiana 35 000Ar/kp. Marihina fa mamokatra zana-tongolo ho an’ny 25 ara ny masomboly 3 kp. Velaran-tany 1m2 kosa hahazoana vokatra manodidina ny 7kilao.

Fepetra
Mitaky hafanana sy rano ny fambolena tongolo, misy taom-pamokarana roa ihany koa anatin’ny taona iray, ho an’ny faritra Atsimo.
Afafy sy avela ho maina ireo masomboly, afindra izany ary averina aketsa indray avy eo. Misy koa ireo tongolo manana « calibre 5-7 cm », tapahana sy averina ambolena indray ka hahazoana vokatra. Vanim-potoana mangatsiaka no tena fambolena ny tongolo ka mioty izany ny volana aogositra. Volana jona kosa no fambelona ny masomboly, efa-bolana aorina kosa no miakatra ny vokatra », hoy ireo mpamboly. Araka izany, mahazo vokatra 2 000 ka hatramin’ny 3 000 kapoaka ny mpamokatra iray. Tanjona kosa ny hahatrarana hatrany amin’ny 10 000 kp aorian’ny fampiofanana ireo mpamokatra zandriny. Vina koa ny hampakarana ny vokatra saingy mitaky fotodrafitrasa goavana ny fanatanterahana izany hahafahana manitatra ny velaran-tany hambolena sy hampiroboroboana ny famokarana, hoy hatrany ny fanazavana.
Vokatra
Mbola ampiasaina sy enti-mamokatra ny masomboly eto amintsika, antony mahatonga ireo tantsaha mandray anjara amin’ireo tsenabe samihafa hampitomboina lalam-barotra sy hanondranam-bokatra any ivelany. « Mahavelona ny fihariana tongolo saingy mila mampitombo traikefa ny tantsaha hanatsarana ny vokatra sy hampitomboana ny fidiram-bola », hoy ny mpamboly iray hafa. Mijanona ho fifaninanana ny tontolon’ny tsena, ilaina ny manana vokatra miavaka sy tsara kalitao hisintomana sy hampaharitra ny mpanjifa. Marihina fa mijanona ho anisan’ny faritra mpamokatra tongolo betsaka eto Mada­gasikara ny faritra Atsimon’ny Nosy, toy ny ao Sakaraha, Ankazoabo, Betroka.

Henintsoa

Partager sur: