Havokavoky ny karazan-javamananaina eto Madagasikara ny faritra Sofia. Resy lahatra ny talem-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) any an-toerana, ny Dr Manantsoa Clermond, fa tombontsoa maro no ateraky ny fiarovana azy ireny, toy ny ala honko.
Manan-karena amin’ny lafiny tontolo iainana ny faritra Sofia. Faharoa, midadasika indrindra, aorian’Atsimo Andrefana. Mahatratra 450 km ny halavan’ny morontsiraka, ahitana helodrano miisa 5, faritra mando, sokajy Site Ramsar 3 ary Faritra arovana (AP) miisa 12, ahitana zavamaniry sy biby tsy fahita raha tsy any an-toerana ihany koa. Singanina amin’izany ny gana fotsy maso sy ny akomba na varika manga maso.
Ankoatra ny atiala, manan-karena amin’ny rohy voahary anaty rano ny faritra, ahitana ala honko maherin’ny 50 000 ha. Mitahiry Karbôna betsaka ny ala honko, avo efatra heny miohatra amin’ny ala an-tanety. Nohazavain’ny Dr Manantsoa Clermond, fa mampalahelo ny fanimbana azy ireny, anaovana saribao sy kitay, fanaka, trano, sns. Potika ny fonenan’ny hazandrano maro, toy ny drakaka sy ny akamba, sns. Mamatsy ny 80% ny filan’i Mahajanga amin’ny hazandrano anefa ny faritra Sofia.
Maherin’ny 1 000 ha ny ala honko voaaro
Manoloana ireo, nantsoina ny mpiara-miombon’antoka samihafa hanarina sy hiaro ny ala honko. Maro ny namaly ny antso, toy ny Planète Urgence, ny Blue Ventures, ny Bôndy, sns. Maherin’ny 1 000 ha ny ala honko voaaro, ho an’ny taona 2024 fotsiny. Anisan’ny paikady noraisina ny famindram-pitantanana, ho vahaolana maharitra, hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina. Ampirisihina ny olona eny ifotony hamboly hazo an-tanety, mba tsy hikasihina ny ala honko intsony. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Madagascar national park (MNP), hanohana amin’ny rohim-pihariana jono maharitra. « Azo hatao tsara ny mampidi-bola amin’ny alalan’ny jono », hoy ihany ny Dredd Sofia.
Hatreto, ny Birao nasionaly mpandrindra ny fiovan’ny toetr’andro BNCC-Redd+ no manana fahefana hivarotra Karbôna.
Njaka Andriantefiarinesy