Tonga teny amin’ny akany Mandrosoa Anjanamasina, Alakamisy Anosiala, toby fanabeazana sy fanarenana ireo zaza nania, ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, sy ny ONG Tetikasa Ankizy Krismasy, ny 10 mey teo. Nizarana sakafo ara-pahasalamana ny ankizy miisa 79 beazina ao an-toerana, niampy kilalao, boky fitaizana sy fampianarana. Notsorin’ireo ankizy taizana sy beazina ao an-toerana, fa tena mahatsapa ny fahatsiarovana azy ireo ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’izao fanirahana ny solontenam-panjakana izao.
Manampy ireo, tonga teny amin’ny fonjan’Antanimora ihany koa ny Sekreteram-panjakana. Namaly ny fangatahan’ ireo vehivavy mitondra vohoka miisa 11 amin’ny hanaovana fitiliana sy fanaraha-maso amin’ny maha bevohoka (échographie) azy ireo. Nasongadin’ny SESA, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa « na eo aza ny fefin’ny fonja, tsy voahilika amin’ny fisitrahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), ao anatin’ny andry lehibe, mifototra amin’ny maha olona, ny vehivavy voafonja mitondra vohoka ».
Njaka A.