Fampandrosoana eny ifotony: hanohy ny asa efa natombony any Antalaha ny JCA

Nambaran’ny filohan’ny “Jeunes cadres d’Antalaha – JCA”, Nerapide Jaonary, fa anisan’ny laharam-pahamehan’izy ireo ny fanajariana ny tanànan’Antalaha ary tafiditra ao anatin’ny tetikasan’izy ireo izany.

«Tsy natao ho an’ny fitondram-panjakana foibe ihany ny fampandrosoana fa andraikitra ifampizaran’ny rehetra. Antony nahatonga anay nanatanteraka ireo asa teo aloha ary mbola manohy izany amin’izao fotoana izao, indrindra ny asa sosialy ho fampivoarana ny mponina», hoy izy. Nanteriny fa hiompana bebe kokoa amin’ny fanatsarana sy fanajariana ny tanàna ny asa hataon’izy ireo, amin’ity indray mandeha ity. Nambarany ho tanjona amin’izany ny hampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka ao an-toerana ary koa hanehoana ny maha izy azy. Nanambara kosa ny ben’ny Tanàna teo aloha ao Antalaha, efa kestoran’ny Antenimierandoholona, fa tena zava-dehibe izao hetsika ataon’ny JCA izao. Fantany tamin’ny nitantanany ny tanàna tao anatin’ny 5 taona ny ao Antalaha, indrindra ireo olana samihafa ka naneho fahavononana hanohana azy ireo ny tenany.

Ohatra velona sy fakan-tahaka ny JCA

Etsy andaniny, nambaran’ny filohan’ny Antenimiera, Tokely Justin, kosa fa maodely sy fakan-tahaka ny ataon’ny JCA ka tokony hataon’ny hafa koa. “Ohatra velona ianareo ary maharesy lahatra ka tokony ho anisan’ny ho tafiditra amin’ny hetsika tahaka izao ny faritra na distrika hafa amin’ny andiany manaraka”, hoy izy. Niaiky ny rehetra fa ilaina ny firaisankinan’ny tanora sy ny fanomezan-kasina ny tany nihaviana tahaka izao.
Tsiahivina fa natao teny amin’ny CCI Ivato, ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika “Nuit de la vanille”, nokarakarain’ny JCA. Anisan’ny niatrika izany ireo depiote sy loholona ary ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta. Nanotrona izany koa ireo olobe zanak’iny distrika iny.

Synèse R.

Partager sur: