Depiote R. Harizaka : “Misy ny laharam-pahamehana”

“Tsy izahay no mangataka fivoriana tsy ara-potoana, fa mila laharam-pahamehana maika eto”, hoy ny depiote, Razaiharimalala Harizaka Fiainantsoa, manoloana ny resaka ny mety hisian’ny fangatahan’ny depiote fivoriana tsy ara-potoana.
Ny momba ny fanaovan-tsonia, ohatra: misy vola indramintsika na omen’ny mpiara-miombon’antoka. Tsy tapahin’ny filohan’ny Repo­blika na Praiminisitra avy hatrany ireny, fa tsy maintsy mandalo amin’ny Antenimie­rampirenena aloha hankatoavina, araka ny lalàna velona.
Raha misy raharaha maika izay hampandehanana ny fambolena sy ny fiompiana, ohatra, na ny fahasalamana, na ny fanabeazana: inona no tsy tokony hanaovana fivoriana tsy ara-potoana amin’izany? Satria maika hampandrosoana ny firenena izany. Ny governemanta no mangataka fivoriana tsy ara-potoana amin’izany, fa tsy ny depiote. “Aleo manaraka ny lalàmpanorenana isika”, hoy izy.

Ilaina ny fitoniana

Tsara ny fiantsoan’ny filohan’ny Repoblika fitoniana tamin’ny kabariny faran’ny taona ireny. “Raha mikorontana isika, ka misy indray ny krizy: miteraka fahasimban’ny tanindrazana izany. Andao isika ho tony. Rehefa tony isika, afa-mihetsiketsika sy mahavita zavatra tsara”, hoy ihany izy.
Tsy azo teneniny ny zavatra iray raha tsy ananana po­rofo, raha ny nambarany momba ny fitantanam-bola eo anivon’ny Antenimiera. Tsy afa-kanameloka na iza na iza ny tenany, raha tsy vita ny tatitra. Tokony hanao tatitra ny mpitantam-bola, ary manana zo hahafantatra ny fitantanam-bola ny depiote.
Ny fitondram-panjakana no manome ny vola. Tsy mbola nisy ny hoe tsy nirotsaka ny vola tao amin’ny Ante­nimiera. Fa zava-dehibe koa ny fahaiza-mitantana azy. “Amin’ny maha IRD ahy, manaraka ny torolalana ao anatin’ny ny fitsipiky ny antoko aho”, hoy hatrany izy. Mino izy fa olon-kendry ny depiote, mahafantatra izay tokony hataony.

R. Nd.

Partager sur: