Nandray ireo mpikambana Tim avy any Itasy sy ireo avy amin’ny Hetsika pro Ravalomanana (HPR), ny filoha nasionalin’ny antoko, Ravalomanana Marc, omaly teny Faravohitra. Hentitra ny nambarany. “Ireo olom-bitsy mahazo tombontsoa manokana amin’izao fitondrana izao sisa no sahy milaza fa mandroso ny firenena. Miaina anaty fahantrana lalina ny 90% -n’ny Malagasy. Sakafo tapa-kibo isanandro miaraka amin’ny olana sy tebiteby isanandro”, hoy izy. Notsiahiviny koa ny nambarany tany Toliary ny herinandro teo ny fitakiana ny hamoahan’ny mpitondra ny tetiandrom-pifidianana ho an’ny filoham-pirenena. Anisan’izany ny fihodinana voalohany sy faharoa. Tahaka izany koa ny fifidianana ny ho ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. “Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ireo. Tapitra ny fe-potoam-piasan’izy ireo”, hoy izy. Nanteriny hatrany ny fomba fiasa : Mila mahalala, mahay ary mahavita.
Synèse R.