Momba ny toriteny teny amin’ny Coliseum : Miantso fitoniana ny loholona Ramanambintana R.

“Manentana ny hisian’ny fitoniana sy fitondrana amim-bavaka ary fifampifonana eo anatrehan’Andriamanitra manoloana an’ireny trangan-javatra mitarika savorovoro sy fisaraham-bazana ireny”, hoy ny diakona eo anivon’ny FJKM sady loholona, Rama­nambintana Richard, manoloana ny resabe momba ny toriteny teny amin’ny Coli­seum, ny alahady lasa teo.
Ny lalàmpanorenantsika ary azo lazaina ihany koa ny soatoavina maha malagasy ary ny foto-dalàna maha FJKM: tsy hampisaraka ny vahoaka. Fa ny fampiraisana sy fifankatiavana ary firaisam-po no hita ao anatin’ny lalàmpanorenana sy ny foto-dalàna FJKM. Koa nanao antso avo ho an’ny rehetra mba ho tony izy amin’izany.
Nanaovany antso koa ny mpiandraikitra foibe FJKM haka fepetra manoloana ny toriteny atao imasom-bahoaka toy ireny mba hifanaraka amin’ny lohahevitra, apetraka ao anatin’ny FJKM. Fiton­drana amim-bavaka ny filo­han’ny FJKM sy ny ankohonany ary ny taom-piasana 2023 ny fanasana. Mba tsy hivaona amin’ny lohahevitra misy sy arafitra isaky ny alahady mandritra ny taona ao anaton’ny taona iray ny toriteny.

Sahy mijoro amin’ny maha kristianina ny tena

“Ho antsika vahoaka : aoka mba ho iray hatrany. Iray fo, iray saina, indrindra amin’ny maha kristianina antsika”, hoy izy. Eo koa ny fitondrana amim-bavaka ny mpitondra. Manentana ny vahoaka sy ny kristianina hifampivavaka koa izy.
Ny indro tao anatin’ny fanompoam-pivavahana: ny toritenin’ny filoha mpanampy. Nilaza momba ny hala-bato, ny tetibolan’ny Tafika hatramin’ny tetibolam-pamokarana rano, ny omby manimba tanin’olona… “Niteraka savorovoro izany”, hoy ity loholona ity.

R. Nd.

Partager sur: