Vita sonia omaly, teny Ampandrianomby, ny fifanaraham-piaraha-miasa an’i Madagasikara sy i Chine momba ny fanondranantsika vokatra mankany amin’ity firenena ity. «Hifantoka betsaka amin’ny fiarovana sy fitiliana ireo hazandranomasina ny fiaraha-miasa mba hiantohana ny kalitaom-bokatra mankany Chine», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Tilahy Désiré. Tanjona ny hanamafisana sy hanatsarana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Kendrena manokana ny hampitombo sy hampiroborobo ireo vokatra avy eto Madagasikara mihazo any an-toerana.
Ny taona 2024, manodidina ny 3 900 taonina ny vokatra naondrantsika tany amin-dry zareo ka ny 30t dia makamba avokoa. Anisan’ireo vokatra ireo ny amalona, horita, makamba, oratsimba, concombre de mer ary ny trondro. Maharitra dimy taona azo havaozina ity fifanaraham-piaraha-miasa ity, ho fanoitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena manga. Marihina fa mpiara-miombon’antoka stratejika amin’i Madagasikara ny firenena sinoa eo amin’ny sehatry ny toekarena manga.
Henintsoa