Fitsitsiana sy tontolo iainana : Fampiroboroboana ny moto elektrika

Misy ny vahaolana manoloana ny fandaniana solika sady mitandro ny tontolo iainana. Voalohany maneran-tany amin’ny fanamboarana moto elektrika ny marika VMoto. Mitsinjara azy eto amintsika, ny orinasa VMoto Madagasikara eny Anko­rondrano. Miara-miombon’antoka ny Sipem Banque entina hampiroboroboana ny fampiasana moto elektrika. Nam­baran’ny tale jeneraly lefitra (DGA) misahana ny fampandrosoana, Sipem Banque, Randriatsimialona Lanja, fa hamoraina ny fahafahan’ny mpanjifa mahazo azy, ka azo aloa tsikelikely mandritra ny 3 taona. Natao ho an’ny mpiasa tena, ny mpikarama, ny orinasa madinika sy salantsalany (PME), sns, amin’ny tahan’ny zanabola ambany. Haingana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sady nohamaivanina. Azo hatonina ny masoivohon’ny banky 29 manerana ny Nosy.
Ho an’ny talen’ny fanatanterahana ny asa, VMoto Madagasikara, Pierre Vallin, anisan’ny tombontsoa amin’ny moto elektrika ny fitsitsiana miohatra amin’ny fampiasana solika. Satria, 1 850 Ar ny saran’ny herinaratra lany ho an’ny lalana 100 km, raha fahanana mandritra ny adiny 3, ahavitana 100 km, raha toa ka 18 500 Ar ny vidin’ny solika laniana amin’ny 100 km. Mahazo fiantohana (garantie) mandritra ny telo taona ny moto vidiana. Handray anjara amin’ny fifaninanana moto IMT (Imerikasinina Motul Trophy) hatao amin’ny 31 mey ho avy izao, eny Imerinka­sinina, ny moto elektrika marika VMoto.

Njaka A.

Partager sur: