Baolina kitra – PFL : Hanohitra ny Elgeco Plus ny Ajesaia

Hotanterahina anio sy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na « PFL 2025 ». Tsy misy kajikajy intsony fa tsontsorimamba isarahana izy ity. Hanafika ny Elgeco Plus eo an-jaridainany ny Ajesaia Bongolava, amin’ity anio ity. Fihaonana hiendrika famaranana kely satria hidona ny samy sangany. Raha ny fihaonan’ny roa tonta farany, hanala vela ny boai­kelin’i Bongolava amin’ity. Hanatombo ihany koa ny Elgeco Plus. Izy ireo izay hilalao eo an-jaridainany. Mialoha izay, hifanazava ny Mama FC sy ny Fosa Jr Boeny. Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta ka heverina fa ho resy izay tsy tsara fiomanana. Rahampitso alahady, hifanehitra ny Cosfa sy ny Disciples FC. Eto no hanala ny velany ny Bebaoty izay efa lavon’ity ekipan’i Vakinankaratra ity. Ambaran’ny maro fa lalaon’ny mpanazatra izy ity, satria samy teknisianina ny eny ambony kianja. Aorian’io, ny lalaon’ny CFFA sy ny AS Fana­lamanga.

Tompondaka

Partager sur: