Base Toliara: miditra amin’ny andiany faharoa ny fanofanana arakasa

Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fanofanana ny mponina eny ifotony ny orinasa Base Toliara. Miompana amin’ny fanorenana sy rafitra biriky izany.

Mitohy ny tohana ataon’ny tetikasa Base ny vondron’olona eny ifotony. Nomena fiofanana arakasa mahakasika ny fanorenana fotodrafitrasa na rafi-trano, ho an’ny fianakaviana tompona fasana any amin’ny fokontany Tsiafanoky sy Beravy Antsoity, kaominina Tsianisiha, Toliara II. Antony, ny ahafahan’ireo tompony manorina ny fasana vaovao izay hafindra toerana, araka ny fangatahan’ny Base. Tsy mionona amin’ny fananganana fasana anefa ny fiofanana, fa hiomanana sahady amin’ny ahafahan’ireo mpiofana miomana amin’ny fandraisana ho mpiasan’ny orinasa Base. Nohazavain’i Anthony Evariste, tomponandraikitra ao amin’ny Base, fa « hofanina amin’ny lafiny rafi-trano ny mpisitraka. Eo koa ny fifehezana ny fanamboarana laron-tsimenitra sy fasika (béton), ny fandokoan-trano. Hampia­narina azy ireo manokana koa ny fananganana fasana. Mandritra ny enina andro ny fiofanana, ary omena tambin-karama ny mpiofana miaraka amin’ny mari-piofanana ».
Hetahetan’ny mponina ity notanterahin’ny Base Toliara ity. Ho an’i Jean Gervais, « tsapanay ny fitsinjovan’ny Base anay amin’izao fiofanana arakasa izao. Hita taratra izany amin’ireo fitaovana avo lenta maneho ny hatsaran’ny kalitaon’ny fiofanana. Azo antoka fa hihena ny tsy fandriampahalemana satria ma­nomboka miforona ny asa, afaka mamboly ny mponina noho ny fanadiovan’ny lakandrano”.
Miofana ny vehivavy

Anisan’ny vehivavy miofana koa i Odile. Notsoriny, fa « tsy misy fantany ny mahakasika ny fanorenan-trano. Ho voafehiny ny teknikan’ny rafi-trano aorian’ny fiofanana. Reharehanay vehivavy ny fahazoana fahalalana toy izao, ary tsapa izao fa tena ilainay mponina aty Tsiafanoka ny tetikasa Base Toliara ».
Fanombohana ihany ireo fiofanana andiany roa natao ireo. Fantatra fa mbola hitohy amin’ny sehatra hafa koa ny fiofanana ara-kasa sy ara-teknika toy izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: