Mibahan-toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fifampiraharahana amin’ny lafiny haban-tseranana. Manoloana izany, nitsidika teto Madagasikara ny delegasiona sinoa, tarihin’ny minisitra lefitra miadidy ny Fitantanana foibe ny ladoany, Wang Lingjun, ny 14-16 mey teo. Manan-danja ity fitsidihana ity, nanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Chine, tsy mitanila sady samy ahazoan’ny roa tonta tombontsoa. Nandray azy ireo ny tale jeneralin’ny haban-tseranana malagasy, Zafivanona Lainkana Ernest. Nilaza ny minisitra lefitra, Wang Lingjun, fa tonga eto izahay hanatanteraka fiaraha-miasa matotra amin’ny lafiny fadintseranana.
Maro ny lafiny fiaraha-miasa noresahina. Ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra, ny fampihenana ny sakana mahakasika ny lafiny fitantanan-draharaha, ny fanamafisana ny fampifandraisana ny tambajotra eo amin’ny sampana ladoany, sns. Tanjona ny hiarahan-kiasa mafonja eo amin’ny roa tonta, mifototra amin’ny fifampitokisana anaty mangarahara, miteraka fampandrosoana ifampizarana.
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Drafitrasa stratejika ny fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy mandritra ny 5 taona (2025-2029) ity fiaraha-miasa ity. Paikady mitodika any amin’ny fanatsarana ny vokatra, ny fikarohana zava-baovao ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Njaka A.