Nolotorana mari-boninahitra “grande Officier” ho fankasitrahana azy ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), Avelin Christian Eddy, ny 16 mey lasa teo, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Pact “Port Academy Center Toamasina”.
Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ny minisitry ny Fitaterana sy famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, i Mangalaza Eugène Régis, mpikambana eo anivon’ny mari-boninahi-pirenena ary notronon’ny solontenam-panjakana maro ao Toamasina. Nambaran’ny minisitra fa tsy tambo isaina ny zava-bitan’ny Spat ho an’ny tanànan’i Toamasina sy ny firenena. Ny 80 isan-jaton’ny fanondranana any ivelany sy fampidirana entana dia teto amin’ny Spat avokoa. « Matoa maro toy izao ianareo mpiasa nahazo mari-boninahitra dia vokatry ny fahaiza-mitantana », hoy ny tale jeneraly. Nohamafisiny fa afaka fotoana fohy, hahatratra hatramin’ny iray tapitrisa ny kaontenera hiantsona ao amin’ny seranan-tsambo. « Feno ny fepetra amin’ny tanjon’ny Spat, ny voalohany indrindra dia ny maha olona, faharoa ny fahaiza-mitantana ary ny fahatelo, fotodrafitrasa », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy famatarana ny toetr’andro. Nitodika tamin’ireo mpiara-miasa aminy niara-nandray ny mari-boninahitra sy medaly ny tale jeneraly, Avelin Christian. « Ny adidy masina, ny andraikitra voninahitra, tsy mandeha ho azy ny atao hoe olo-mendrika dia mametraka ho zava-dehibe an’ ireo fahatsapana ny andraikitra nankinina amin’ny tena ary ny fanatanterahana izany an-kitsim-po », hoy izy. Eo koa ny fahaizana mamadika ny andraikitra ho vokatra ny firaisana vina sy tanjona amin’ny orinasa, ary ny fanajana eo anivon’
ny samy mpiara-miasa, Tsy mandeha ho azy kanefa izany fa mila fianarana, finiavana, fahaiza-miaina, fandeferana fa indrindra ny fiezahana ny hanao ny tsaratsara kokoa hatrany.
Sajo