Novinavinaina ho 9 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hekitara ny vokatra ho azon’ny tantsaha any Ambohijanahary, distrika Amparafaravola, nandritra ny fotoam-panetsana, ny febroary 2025 teo. Nilaza Raholison Tahiry, anisan’ireo tantsaha miisa 1 358, nisitraka masomboly vary safiotra sy zezika tamin’izany fotoana izany, fa « tsapa ny fiovana sy ny fivoarana. Nitombo avo 3 heny ny vokatra nampiasana masombolay vary safiotra. Mahatratra 25 ny isan’ny salohim-bary iray fototra, ahitana voam-bary 200. Zara raha 7 anefa ny salohim-bary, tsy mihoatra ny 60 ny voam-bary amin’ny vary nentim-paharazana nahazatra ».
Nambaran’i Lala Arsène, tomponandraikitry ny fampandrosoana any amin’ny kaominina Ambohibary, fa « maro ny tantsaha resy lahatra amin’ny vary safiotra, ankehitriny. Maniry ny hampihatra ity teknikam-pamokarana maoderina ity avokoa izy ireo ». Manamafy i Alfred, filohan’ny fikambanana Tambajotra tantsaha, fa « hanatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny fitomboan’ny taham-bokatra ».
Ho an’ny Tale misahana ny fanovana ara-pamokarana ao amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Andriamanga Mbola, « hita maso izao ny porofo amin’ny taham-bokatra azo amin’ny fambolena vary safiotra aty Amparafaravola, ahazoana 10-12 t/ha ». Tsiahivina fa maherin’ny 32 000 ny tantsaha nahazo tohana masomboly vary safiotra sy zezika, mandrakotra velaran-tany 8 000 ha manerana ny Nosy, hatramin’ny febroary 2025.
Njaka A.