Hetsika iraisam-pirenena ara-pizahantany lehibe indrindra eto amintsika ny “International Tourism Madagasikara (ITM)”. Misy hatrany ny zava-baovao entina, hampisongadinana an’i Madagasikara.
Hatao ny 12 hatramin’ny 15 jona ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny “Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM)” andiany faha-11, sy ny “Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana (IHM)” andiany faharoa. Miahy azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTM), tanterahin’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM) miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka marobe. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Pic (Pôle intégré de croissance), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena.
Lohahevitra noraisina ny hoe: « mankany amin’ny fizahantany maharitra ». Firenena vahiny nasaina manokana i Maraoka. Mampiavaka ny amin’ity taona ity, ny fampiasana ny teknolojia niomerika sady mitandro ny tontolo iainana. Ho mora kokoa ny fitetezan’ny mpitsidika ny tranoheva, satria misy ny kisary ahitana azy ireo tsirairay, ampiasana ny QR Code, arakaraka ny seha-pihariana isan-tsokajiny avy. Tanjona amin’ny ITM andiany faha-11 sy ny IHM andiany faharoa ny hisian’ny fizahantany maharitra, andraisan’ny rehetra anjara, mitandro ny tontolo iainana sady manome lanja ny harena eto an-toerana.
Nitombo ny mpiara-miombon’antoka
Miisa 475 ny tranoheva handray anjara, iandrasana mpitsidika hatrany amin’ny 20 000. Ahitana fizaram-paritra 15 ho an’ny sehatry ny fizahantany (ITM), 12 ho an’ny asa tanana (IHM). Ho hita ao daholo ny sokajim-pihariana samihafa. Eo koa ny famelabelaran-kevitra miompana amin’ny lohahevitra voafaritra mazava.
Tafakatra 35 ny mpiara-miombon’antoka amin’ity andiany ity, raha 22 tamin’ny taon-dasa, 2024. Midika izany fa mitombo ny orinasa sy ny mpandraharaha eto an-toerana sy avy any ivelany vonona hanohana ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny asa tanana eto Madagasikara.
Njaka Andriantefiarinesy