Symabio : Mahazo vahana ny famokarana Bio

Efa lasa fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny famokarana biolojika. Mifototra amin’ny famokarana voajanahary tsy mampiasa akora simika, mitandro ny tontolo iainana sady afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Hatao ny 20 sy ny 21 jona ho avy izao, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny Tsenabe Biolojika, andiany faha-4. Lohahevitra noraisina: « Ny Bio ho an’ny Malagasy ».
Mikarakara azy ny Sendika malagasy ny famokarana biolojika (Symabio), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) ary ny EDBM. Manohana azy ny tetikasa Padeir avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE). Miara-miombon’antoka ihany koa ny vondrona Ecocert, misahana ny fanomezana ny mari-pamantarana iraisam-pirenena Bio.
Tanjona ny hampahafantarana bebe kokoa ny teknika Bio sy ireo seha-pihariana maharitra mitandro ny tontolo iainana. Hihaona mivantana mandritra ny fotoana, ny mpisehatra rehetra, ahitana ny avy amin’ny fanjakana, ny orinasa tsy miankina, ny ONG, rafitra na fikambanana samihafa. Manodidina ny 350 ny orinasa mamokatra Bio eto Madagasikara, mahakasika mpanjifa 200 000.

Njaka A.

Partager sur: