VAOVAO TAMBATRA

Nihatsara ny fanondranana nikela sy kobalta nataon’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona. Lasa 3,7% sy 27,6% izany noho ny fiakaran’ny vokatra 9,4% sy 60,2%. Na izany aza, mbola ambany, izany hoe, 5,2% sy 20,4% ny vidiny noho ny fitobahan’ny vokatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Mitotaly 3 008,5 tapitrisa dolara ny vola vahiny eto amintsika ny faran’ny volana marsa teo. Izany hoe, mitovy sanda amina fanafaram-bokatra mandritra ny 6,1 volana. Niakatra io taha io raha oharina ny tamin’ny volana marsa 2024 izay nisanda 2 576,3 tapitrisa dolara. Voalaza ho antony mahatonga izany ny fividianan’ny Banky foiben’i Madagasikara ny vola vahiny eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola.
Niantsona tany amin’ny Nosy Sainte Marie ny sambo mpikaroka Plastic Odyssey, ny 9-15 mey teo. Nanao fanadihadiana ara-tsiantifika mahakasika ny loto vokatry ny fako plastika an-dranomasina izy ireo. Miisa 15 ny mpikaroka tao anaty sambo avy amin’ny Ivontoerana fikarohana ho an’ny fampandrosoana (IRD).
Eo anelanelan’Ampasamadinika sy Fanan­drana indray ny fanarenan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-2. Efa natao koa ny fanatsarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Brickaville, izay tena nampitaraina ny mpampiasa lalana. Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena rehetra mialoha ny fialantsasatra lehibe.

Partager sur: