“FIM 2025”: Kihon-dalana stratejika ho an’ny fampandrosoana ny toekarena

Hisarika ireo mpamatsy vola sy mpandraharaha afrikanina ho tonga eto amintsika ary hampiroborobo ny fandraharahana ireo fanamby apetraky ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara (FIM) 2025.

Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha manerana ny Nosy ny Tse­nabe iraisam-pirenena eto Madagasikara (FIM) andiany faha-19, atao eny amin’ny CCI Ivato. Efatr’andro hifanakalozan’ireo mpandraharaha sy hifampizarany ary hampahafantarany ny vokatra ataony ho fampandrosoana ny toekarem-pirenena. « Tanjona ny hanaovana an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina sy aty Afrika. Anisan’ ireo mpilalao stratejika ao ana­tin’izay ny FIM noho izy tetezana miampita any Afrika », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika, omaly.
Hita eny an-toerana mandritra ny efatr’andro ny fandraharahana samihafa, indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampiasana ny angovo madio sy azo havaozina. « Mpi­tarika ho an’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny FIM. Tanjona ny ahafahan’ny rehetra ma­mantatra ny fandraharahana sy ny orinasa taritin’ireo tanora», hoy kosa ny mpandrindra ny FIM, Ramanantsoa Tahiry.
Niomerika

Mivoitra ao anatin’ity he­tsika karakarain’ny Madavi­sion voalohany ity ny fampiasana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. “Fana­mby ny hirosoana amin’ny fivoarana sy hametrahana ny fisainana éco-responsable ho fikajian’ny rehetra ny tontolo iainana sy ho fanodidinana ny fako ho azo ampiasaina in­dray”, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Misandrahaka amina velarana 22 000m2 ireo tranoheva misy ny mpandray anjara miisa 260. Misy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra iarahana amin’ireo matihanina ho fampiroboroboana ny fihariana. Misy ihany koa ny Workshop ary ny Speed Ne­tworking mandritra ny Tse­nabe iraisam-pirenena eto Madagasikara, andiany faha-19. Tsiahivina fa lohahevitry ny hetsika ny hoe « FIM : tetezana miampita ao Afrika », hisarihana ireo mpamatsy vola sy mpandraharaha afrikanina ho tonga eto amintsika.

Henintsoa

Partager sur: