Fotoana iray anisan’ny ahafahan’ny samy mpandraharaha mihaona mivantana ny Foara iraisam-pirenena (Fim) atao ny 22-25 mey, eny amin’ny CCI Ivato. Sambany mandray anjara ny banky Sipem Madagasikara. Nohazavain’ny tale jeneraly lefitra (DGA), Randriatsimialona Lanja, fa « fotoan-dehibe hikarohana mpiara-miombon’antoka ny foara toy ny Fim. Mandray anjara amin’ny Fim izahay, satria mpandraharaha sy orinasa ny 90% ny mpanjifa ny Sipem banque Madagasikara ».
Tena mpanjifan’ity banky ity ny orinasa tena madinika sy salantsalany (TPE), izay misehatra amin’ny varotra ny 50%. Nomarihin’ny DGA, Randriatsimialona Lanja, fa mivoatra be ny tontolon’ny fandraharahana, indrindra ny fikirakirana ara-bola, noho ny fisian’ny teknolojia niomerika, izay fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday (e-banking) ao anatin’ny tolotra Pack Micro.
Anisan’ny tolotra manokana omen’ny Sipem banques mandritra ny foara Sim ny fitahirizam-bola Miabo Flash, amin’ ny zana-bola 9,5%.
Njaka A.