Efa nampiomana. Niray feo ireo mpitarika sasany eo anivon’ny antoko TGV, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra fa hohamafisina ny fanohanana tsy misy fepetra ny filoha Rajoelina Andry.
Nanterin’izy ireo fa mpanorina ny antoko ny filoha ary manana ny vina sy ny veliranony ka tohanan’izy ireo izany. “Antoko matanjaka sy miray hina ary mijoro manerana ny boriborintany enina eto an-dRenivohitra ny TGV. Ho avy tsy ho ela ny kongresy hanehoanay izany herinay izany”, hoy izy ireo.
Ankoatra izany, nitodika tamin’ny pasitera Andriamampianina Zaka ny mpikambana fa tsy tokony hanome lesona ho an’ny fanjakana io mpitandrina io. Aoka hahay hanasaraka ny fivavahana sy ny fitondram-panjakana ary ny fahefana ny asany.
Nalahelo sy tafintohina ny TGV
Notsiahivin’izy ireo fa nalahelo sy tafintohina tamin’ ny toriteny politika teny Antsonjombe ireo mpikambana TGV nivavaka teny an-toerana, araka ny fanazavana hatrany.
Manoloana izany, nanao antso avo ho an’ny mpino FJKM ny mpandrindra sady mpitondra tenin’ny TGV, ny depiote Raholdina Naivo. “Aoka isika ho tony na eo aza ireny toriteny miendrika fanehoan-kevitra politika, sady fandikana Lalàmpanorenana ary fihantsiana ny mpitondra, nataon’ny mpitandrina Andriamampianina Zaka ireny”, hoy izy.
Sesilany ireo fanehoan-kevitra
Tsiahivina fa sesilany ireo fanambarana politika nataon’ ny mpomba ny fitondrana, nanomboka ny harivan’ny alahady teo ka hatramin’ny omaly, tsy mankasitraka iny teny fampianarana iny. Anisan’ny nanao izany voalohany ny governora Rasoamaromaka Hery, ny loholon’i Madagasikara Ramanambintana Richard, ny depiote isany, i Milavonjy sy i Rossy. Narahin’ireto TGV ireto izany, omaly. Mbola ho avy koa ny hafa ?
Synèse R. sy Mino