Nanome lesona. Nitondra ny heviny koa ny avy amin’ny fanoherana, ankoatra ireo avy amin’ny mpanohana ny fitondrana, nanao fanehoan-kevitra sesilany. Manana ny fijeriny ny avy amin’ny HVM, Rakotovao Rivo. Nambarany fa marary ny firenena matoa miteny ireo raiamandreny ireo. “Tsy aleonao ve misy miteny sy mananatra izy ireo mba ahafahanao manitsy ny lalan-kombana satria any aminao ny fahefana. Lasa ianao indray izany izao ilay omby hoesorina satria mitrongy ny fiainan’ny vahoaka”, hoy izy. Nanteriny fa miresaka ny fiainam-pirenena ilay toriteny. Eo ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fananana asa sy ny olan’ny fivelomana, ny tsy fipetrahan’ ny rariny sy ny hitsiny eto amin’ny firenena. “Diso avokoa ve izany ?” hoy ny fanontanian’ity mpitarika ny HVM ity.
Nohitsiny fa anjaran’ny tsirairay ny mandray izany am-po amin’ny maha kristianina. Tokony hitsara tena, araka ny nambarany.
Ny hafatry ny papa Fransoa sy ny eveka…
Notsiahiviny fa mafy sy hentitra ary nahitsy hatrany ny hafatra sy ny teny fampianaran’ny fiangonana. Anisan’izany ny tamin’ny fandalovan’ny papa Fransoa teto amintsika. Teo koa fony izy ireo nitondra ka nitsikeran’ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) ny fitantanan’ny mpitondra tamin’izany. “Niainana koa izany tamin’ny toriteny tany amin’ny mosquée tany Antsiranana ka nanitrikitrihana ny fitondram-panjakana ho nanao ny tsy mety”, hoy ihany izy.
Nambarany fa ilaina izany satria samy zanaky ny firenena. “Tsy mamoaka fihetseham-po tahaka ny ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao izany raha tena mpitondra na voadona mafy sy maharary aza”, hoy izy.
Synèse R.