Antoko Farimbona : hanohana ny filoha Rajoelina

“Tsy ampy ny fe-potoam-piasana iray ahazoan’ny filohan’ny Repoblika manatanteraka ireo asa fampandrosoana ary hitarihana ny asa amin’ izany eto amin’ny firenena”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Farimbona, Razafi­maharo Désiré. Ilaina ny fe-potoam-piasana faharoa ma­naraka hahazoana mananteraka sy mampitohy ireo dingana maro samihafa amin’ny fampandrosana ny firenena.
Ny etamazaoro politika rehetra, indrindra ireo mpanohana ny fitondrana, ao anatin’ izany ny antoko Farimbona: efa miomana ary vonona amin’ny fanohanana ny filoha Rajoelina amin’ny fifidianana sy amin’ny fangatahana azy hirotsa-kofidina indray. Hanao kongresy ny antoko ato ho ato, hanapahana ny momba an’izany. Efa nisy ny fivori­an’ny birao politika nanapaka fa mpikambana feno ao ana­tin’ny Mapar ny antoko, miara-dia hatramin’izay.

Tsy ny fiakarana amin’ny haino aman-jery, na famafazana vaovao tsy marina na ny fanaratsiana, no hampandroso na hampihena sy hanala ny fahantrana. Amin’ny alalan’ ny asa sy ny ezaka ataon’ny tsirairay ihany no hahazoana manala izany sy mampandroso.

R. Nd.

Partager sur: