Ny oniversiten’i Fianarantsoa no nisitraka voalohany ny fanohanana ara-pitaovana ho fanatsarana ny fiantohana ny kalitaom-pampianarana. Noraisan’ny oniversiten’i Fianarantsoa, afakomaly, ireo fitaovana ireo vokatry ny fiara-miasa avy amin’ny mpamatsy vola sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Ho fanohizana ny fiofanana efa natao tamin’ny volana novambra lasa teo momba ny fanatsarana ny kalitaom-pampianarana ety anivon’ny fampianarana ambony. Anton’izao fanolorana izao ny fanatanterahana ny vina napetraka eo anivon’ny oniversite manerana ny Nosy amin’ny lafin’ny fiantohana kalitao sy ny dingana hirosoan’ireo oniversite ireo amin’ny fankatoavana tanteraka (accreditation) ary ny fampitaovana amin’ny lafiny pedagojika, fikarohana sy fotodrafitrasa.
Misokatra ny fandraisana anjara hahazoana ny « Prix UNESCO-Roi Hamad Bin Isa Al-Khalifa pour l’utilisation des technologies de l’information et de la communication dans l’éducation 2022 », avy amin’ny « Royaume de Bahreïn ». Ny lohahevitra dia miompana amin’ny hoe : « Les plates-formes publiques au service d’un accès inclusif aux contenus éducatifs numériques ». Olon-tsotra ; fikambanana tsotra na « ONG » (organisation non gouvernementale) ; « institutions » no afaka mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ka hatramin’ny rahampitso no fe-potoana farany fametrahana ny antontan-taratasy mifanaraka amin’izany eny amin’ny biraon’ny vaomieram-pirenena ho an’ny UNESCO eny Behoririka. 25 000 dolara isaky ny mpandray anjara mendrika no ho azo amin’izany miaraka amin’ny diplaoma.