Hotanterahina manomboka anio, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), taranja rugby, sokajy vehivavy. Firenena efatra no heady ho lohany amin’ity dia ny Makis Ladies, ny Springboks Afrika Atsimo, ny Liona Kenya ary ny The Cranes Ouganda.
Vonona tanteraka ny Malagasy hiaro ny voninahiny ary handrombaka ny fandresena araka izay azo atao. Raha tsiahivina, hifandona voalohany amin’ny Makis Ladies, amin’ity, ry zareo kenyanina. Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta satria efa nifandona tamin’ny taon-dasa ka nivoaka ho mpandresy ny Makis. Hanala vela indray izany ry zareo kenianina. Araka izany, hiendrika famaranana kely mialoha ny fotoana ity lalao ity. Hiankina amin’io ihany koa ny ho tohin’ny lalan’ny Makis Ladies. Hanokatra ny fihaonana ny Springboks sy ny The Cranes. Ry zareo afrikanina tatsimo, izay tompondaka tamin’ny taon-dasa. Ekipa vaovao kosa ny ogandezy, nisolo toerana an’i Cameroun izay nivarina any amin’ny sokajy ambany.
Tompondaka