Potika ny vatan’ilay lehilahy notetezin’ny lamasinina tao amin’ny fokontany Manankasikely, kaominina Manjakandriana, ny alatsinainy 16 jona teo. Mifanila amin’ny lalam-pirenena ny lalamby ao amin’io toerana io. Nijanona tamin’ny sisin-dalana ny fiara an’olon-tsotra izay nitondra io lehilahy io. Nivoaka ary naka sisiny tamin’ny lalamby ity farany ary niantso an-telefaonina, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Tsy naheno ny fisian’ny lamasinina izay efa nanakaiky azy, araka izany, io lehilahy io, fa variana tamin’ny findainy. “Nampaneno anjomara ny lamasinina saingy tsy ren’io lehilahy io izany”, hoy ny nambaran’ny nanatri-maso nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Vokany, voadona ilay lehilahy ka voahitsaka avy hatrany. Namoy ny ainy izy.
Tsiferana R.




