HJRA: nankaherezina ireo voapoizina

Tonga tetsy amin’ny HJRA, nanohana ireo olona narary vokatry ny famosaviana nandritra ny fety fankalazana tsingerin-taona nahaterahana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ny faraparan’ny herinandro teo. Olona 26 no nomena tohana nahitana fehezan-karona misy ireo vatsy sy nankaherezina tamin’ izany.
Nisy koa ny vatsim-panahy netin’ny mpitandrina Randriamananjara Philibert filoha nasionalin’ny METM sady mpandrindra ny ONG Tetikasa Ankizy Krismasy TAK.
Tetsy andaniny, nankasitraka ny fahafoizan-tena an­dro aman’alina ataon’ireo mpitsabo mandray an-tanana ny marary ao amin’ny hopitaly ny minisitra sy ny ekipany izay misongadina fa misikim-ponitra manavotra ny ain’ny marary na dia maro aza ny fanenjehana mihatra amin’izy ireo.
Tsiahivina fa efa misy koa ny fandraisana an-tanana ny fanafody fitsaboana sy ireo tolotra avy amin’ny governemanta ho an’ireo niharam-boina ireo.
Tanora avy namonjy fety fankalazana tsingerin-taona nahaterahana ireto tratran’ny famosaviana ireto, araka ny efa tatitra ofisialy navoakan’ny fanjakana ka izao tsaboina ao amin’ny HJRA izao. Efa maro ny namoy ny ainy ary ireo ambiny manaraka fitsaboana sy fanaraha-maso akaiky ao amin’ny hopitaly ireo ankaherezina sy irariana ho avotra soamatsara ny ainy.

Tatiana A

Partager sur: