Fifandraisan-davitra satelita: tafakatra 2 tapitrisa Ar ny famandrihana

Midangana ny saran’ny famandrihana apetraky ny orinasa fifandraisan-davitra avy amin’ny zanabolana iray. Fanapahan-kevitra, heverin’ny mpanjifa ho tsy fitsinjovana azy ireo.

Maro ny mpanjifa nitaraina, hita anaty tambajotra sosialy, mahakasika ny fiovana tampoka ataon’ny orinasa iray manana tolotra internety amin’ny alalan’ny satelita. Mandray fanapahan-kevitra samirery, mampiakatra ny saran’ny tolotra, tsy misy ny fampahalalana na fakana ny hevitry ny mpanjifa.
Vao am-bolana maromaro izao ny nisiany teto Madaga­sikara, manome tolotra tsy mila fotodrafitrasa eto an-toerana, fa avy amin’ny zanabolana. Mikorontana ny fifandraisan-davitra sy ny tambajotra, indrindra any amin’ny toerana tena be mponina. Tsy vitan’izany, fa lasa midangana izaitsizy ny saran’ny tolotra. Tsy nisy ny fanazavana na fampiomanana mialoha, sady tsy manana masoivoho eto an-toerana rahateo ilay orinasa. Mitotaly 1 927 000 Ar ny sara-pamandrihana, ka ao anatiny ny vidin’ny fitaovana (900 000 Ar) sy ny kojakoja (113 000 Ar), miampy ny saran’ny fampandehanana azy vaovao, 1 140 000 Ar.

Toekarena mitanila

Mampametra-panontaniana ny mpanjifa izany rehetra izany, amin’ny tsy fisian’ny mangarahara. Raha ny hevitr’izy ireo, endriky ny toekarena niomerika mitanila izao tranga izao. Tsy afa-manoatra manoloana ny fanapahan-kevitra samirery raisin’ilay orinasa, na dia efa toy ny filana andavanandro sy mahazatra aza ny fifandraisan-davitra, ankehitriny. Ho an’ny mpanjifa, tsy misy ny fitsinjovana azy ireo, tsy manana safidy, satria ny fifandraisan-davitra dia efa ampiasaina amin’ny sehatra maro, toy ny fianarana, ny asa, ny fahazoam-baovao, ny fandraharana, ny fitsaboana, sns. Hany ka, voatery manaiky ny fepetra apetraky ny orinasa sy ny sarany apetrany, toy izao mitranga izao. Raisin’ ny mpanjifa ho toy ny fihenan’ ny fahatokisany an’ilay orinasa ny tsy fandraisany andraikitra.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: