Miditra dingana vaovao ny orinasa StarTimes, mampiasa ny teknolojia niomerika, ahazoan’ny mpanjifa ny fandaharana televiziona avoakany. Ampiarahana ny fisitrahana ny niomerika, ny angovo azo havaozina ho an’ny rehetra.
Amin’ny alalan’ny sampana orinasa StarTimes Solar, izay mpanohana ofisialy ny Fifa amin’ny fandefasana ny lalao Tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba 2025 no hanatanterahana izany. Azon’ny mpanjifa rehetra arahina ny lalao rehetra, hatrany amin’ny toerana mitoka-monina sy lavitra, satria ampiasain’ny StarTimes Solar ny angovo avy amin’ny masoandro.
Nametrahana takelaka ahazoana ny herin’ny masoandro matanjaka ny orinasa, ny rafi-panjakana ary ny olon-tsotra. Ahitana ny kojakoja ny fahazoana herinaratra, bateria ary « onduleur ». Manana tanjaka manomboka 2kW hatramin’ny 10 kW. Misy fiantohana mandritra ny 10 taona.
Ankoatra ny fanarahana ny Tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba, mitohy ny fandaharana horonantsary vahiny (avy any Torkia, Philippines, Thailandy, …), adika amin’ny teny malagasy, ny Iron Heart amin’ny Gasystar, ny Intersction, ny Mr Wrong, sns.
Njaka A.




