Orange Madagascar: nizara mari-pankasitrahana miisa 143

Tontosa ny alatsinainy teo, teny Ivato, ny lanonam-pizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa miisa 145 avy amin’ny Orange Madagasikara. Fotoana nanehoan’ny orinasa fa vonona hanohana ireo mpiara-miasany hatrany izy ho an’ny fampandrosoana ireo tetikasa manaraka. « Mandray anjara sahady amin’ny fampandrosoana ny firenena izao fanoloran-tenanareo amin’ny sehatry ny niomerika izao. Mpanorina ianareo ary modely ho an’ny tanora », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, Stephanie Delmotte, tamin’ny lahateniny. Nampahatsiahivin’ny filoha tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Fabrice André, kosa fa « tanjaky ny orinasa ny ekipa ary andry stratejika ho an’ny fampandrosoana ny orinasa ny finiavan’ireo mpiara-miasa rehetra ». Vonona hifanolo tanana hampiroborobo ny niomerika eto Madagasikara sy hitondra soa fanararaotra ho an’ny rehetra ny Orange Madagascar. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny vinan’asany ataony ho an’ny Mala­gasy tsy ankanavaka.

Henintsoa

Partager sur: