Jirama: « Tsy mbola nisy fahaverezana menaka mavesatra »

Nandiso tanteraka ny filazana fahaverezana menaka mavesatra ny eo anivon’ny Jirama tamin’ny alalan’ny tale jeneraly lefitra misahana ny famatsiana solika sy menaka, Andriamam­pionona Frances­ca. Nohamafisiny fatsy mbola nisy izany tranga izany tao amin’ny seranan-tsambon’i Toa­masina. Ankoatra izay, nanokatra fanadihadiana mo­m­­ba ny vaovao niely tamin’ny tambajotra sosialy ihany koa ny talen’ny fiarovana ny mpan­jifa (DPC) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra, Ravelonarivo Ando. « Ha­tra­min’ny andro androany dia mbola tsy voamarina ny filazana fa misy menaka mavesatra nahodina ho lasa menaka ho hanin’olombelona », hoy izy. Nahazoana fanamarinana ho azo hohanina sy fahazoan-dalana avokoa ny menaka rehetra amidy eto amintsika. Ankilany, anatin’ny fanadihadiana mahakasika ny tranga niseho tao amin’ny faritra Boeny sy Amoron’i Mania ireo tomponandraikitra samihafa. Manentana ny mpanjifa mba ho mailo manoloana ny vaovao diso iniana aparitaka sy hitahiry ara-dalàna ireo sakafo ihany koa ny tomponandraikitra.

Henintsoa

Partager sur: