Minisiteran’ny Fitsarana: “Tsy maintsy jerena ny didy fa mety hamotika olona…”

Nanaovana atrikasa manokana . Notanterahina tetsy Antaninarenina, omaly, ny fiofanana sy fifampizarana eo amin’ireo mpitsara eo anivon’ny fitsarana fandravana didy. Nanafatrafatra ny momba izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana.

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Raby -Savatsarah Ain’Harimanga Gabrielle fa anisan’ny andry farany iankinan’ny manan-draharaha ary andrandrainy mba hampanjaka ny fahamarinana sy ny heveriny fa ho rariny ny eo anivon’ny fitsarana fandravana. Tena saropady indrindra ny asan’ny fitsarana fandravana. Eo am-pelatanan’ ny mpitsara miasa ao ny fanapahana farany handrava na hahatonga ny didy iray ho tonga didy raikitra ka tsy ho azo ivalozana, araka ny nambarany. “Mety hanarina na koa hamotika tanteraka fiainan’olona ny didy avoakan’ny fitsarana, indrindra ianareo eo anivon’ny fitsarana fandravana”, hoy izy. Antony nahatonga ny minisitera sy ny mpiara-miombon’antoka hikarakara ny atrikasa izany, mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tsirairay sy hifanakalozana traikefa ary hanolorana ny mety fanatsarana tokony hoentina, araka ny nambarany hatrany .
Didy mifanaraka amin’ny lalàna

“Manana fahefana afaka mandrava sy hanova ny didy tany aloha ary afaka hametraka didy raikitra izy ireo. Mi­antraika amin’ny fiain’ny olo­na ny fandravana adidy ka rariny ny fanavaozana iarahana amin’ireo oloben’ny fi­tsarana efa nisahana ny fitsarana mpandrava didy”, hoy ihany izy. Nanterin’ny filo­han’ny fitsarana fandravana kosa, Randriamaro Viviane fa anisan’ny asan’izy ireo ny mijery raha mifanaraka amin’ ny lalàna ny didy navoakan’ny mpitsara. “Tsy mitsara intsony fa manara-maso izany ka mahatonga ny fandravana didy na koa mamerina ny fi­tsarana izany any amin’ny namoaka ny didy, amin’ny alalan’ny mpitsara hafa indray ny fitsarana fandravana”, hoy ihany izy. Notsin­driny fa tsy tokony hamoaka didy noho ny vetsovetso-po na noho ny hatezerana ny mpitsara. Manery azy ireo amin’ny asany ny ny Lalàm­panorenana sy ny satan’ny mpitsara, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fitsarana fa miisa 15 000 ireo voafonja, efa voatsara sy nahazo sazy raikitra nisitraka ny famelan-tsazin’ny filohan’ny Repoblika. Izany hoe eo amin’ny 55% eo izany. Notsindriny anefa fa miisa 2400 ihany no nivoaka avy hatrany ny fonja nihazonana azy ireo. Miisa 6100 kosa ireo mbola miandry, arakaraka ny saziny avy, araka ny voalazan’ny didim-pitondrana momba izany.

Partager sur: