Tamim-pahatairana no nandraisan’ny mpanjifan’ny banky ny fampiharana ny TVA 20 % taorian’ny fanambaran’ ny « Association professionnelle des banques de Madagascar » (APB) momba ny fampakarana ny hetra amin’ny zana-bola amin’ny findramam-bola, ny taha 20%. Nilaza ny APB fa mihatra manomboka ny 1 jolay izao io fepetra io. Manoloana ny efa ahiahin’ny mpanjifa, nanamafy ny APB fa mbola mitohy ny dinika sy fifanarahana ao amin’ny Fikambanan’ny orinasa malagasy (Gem) sy ny Fikambanan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama). « Handalo fotoan-tsarotra ny orinasa sy ny mpandraharaha manoloana ny zava-misy », hoy ny mpahay toekarena Rakotoarisoa Andriantahina. Notohizany fa tokony hapetraka eto Madagasikara ny bankin’ ny fampandrosoana, hahafahan’ ny olon-tsotra mindram-bola sy ny fanjakana manohana ny Malagasy mpandraharaha.
Fiantraikany
« Hanimba ny fiharian’ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) sy ny olon-tsotra ity fanapahan-kevitra ity », hoy ny mpanjifa iray. Voakasika mivantana ireo mpandraharaha madinika, mazàna mindram-bola eny anivon’ny banky entina hamatsiana sy hampihodinana ny orinasany. « Very hevitra aho, ny vola nindramiko mbola misy tsy voaloa nefa hiakatra sahady ity ny hetra amin’ny zana-bola », hoy ny fitarainan’ny mpandraharaha iray. Notohizany fa voatery hampiakatra ny vidin’ entana amidy izy ahafahany mandoa ilay TVA. Na izany, manahy ny hampihena ny mpanjifa sy ny fahafaha-mamokatra io fepetra vaovao io. Nilaza kosa ny mpanjifa iray fa ho sakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasany ny fanapahan-kevitra vaovao. « Hananosarotra ny fanatanterahana tetikasa. Hihena ny isan’ny mpindram-bola, ao koa ireo voatery hampitsahatra izany vantany vao voaloa ny vola nindramina rehetra », hoy ny fanazavany.
Henintsoa




