Antenimierandoholona: hampitombo ny zanakazo hovoleny

Hamboly hazo indray ny eo anivon’ny fianakaviamben’ ny Antenimierandoholona ho tohin’ny efa natao tany Tsa­ramasoandro, Ankazobe ny taona 2022. Hotanterahina ny zoma 3 sy ny asabotsy 4 febroary izao izany. “Hampi­tomboina ho 64 000 ireo zanakazo hovolena amin’ity taona ity raha 40 000 izany teo aloha. Hitombo tahaka izany koa ny velaran-tany hovolena ka maherin’ny 40 ha izany. Tanjona ny hampitombo ny zanakazo sy ny velaran-tany volena”, hoy ny fanambaran’ny eo anivon’ny Ante­nimierandoholona, omaly.
Efa eo am-pikarakarana sy fanomanana izany ity andrimpanjakana ity amin’izao fo­toana izao. Nivory momba izany ny kabinetran’ny fitantanana eo anivon’ny filoha, notarihin’ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Ante­nimierandoholona, Rabetsa­ro­ana Sylvain, misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena. Teo koa ny filohan’ny “Cellule environnement et reforestation” ao amin’izany kabinetra izany sy ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny An­tenimierandoholona, Randria­miara­misaina sy ireo tompon’ andraikitra mpitantana isan-tsokajiny etsy Anosikely. No­dinihina tamin’izany ny la­minasa rehetra mifandraika amin’izany fambolen-kazo izany.

Synèse R.

Partager sur: