Rakotovao Vy Vato : “Tsy ilaina ny fampihavanam-pirenena”

“Tsy misy ady na fifamonoana eto. Inona ny fampihavanam-pirenena tadiavina? Any amin’ny tany misahotaka sy mifamono ary miady an-trano no ilàna izany”, hoy ny governoran’ny faritra Vaki­nan­karatra, Rakotovao Vy Vato. Ny hevitra no tsy mitovy. Izany no demokrasia. Malalaka ny fitenenana sy ny fitsikerana. Tany tsy miady ary miezaka milamina.

Ireo mieritreritra hanakorontana sy hanakotaba ary hampisavorovoro saim-ba­hoa­ka amin’ny alalan’ny he­tsika politika sy sosialy ary toekarena ataony no mitaky fampihavanana. Ry zareo alo­ha no tokony hihavana amin’ ny tenany sy amin’ny fireneny. Tsy hoe hanao fampihavanam-pirenena faobe, hitakiana sy hifampizarana seza ao anatina tetezamita izay tsy ilaina amin’izao. Taom-pifidianana izao, tokony samy hanomana izany ny tsirairay.

“Aoka isika ho tony, fa hatao ao anaty fitoniana sy filaminan-tsaina izany fifidianana izany”, hoy izy. Miasa ny fitondram-panjakana mba hilamina sy ho tony ny saim-bahoaka. “Raha mifanimba olona amin’ny tambajotran-tserasera isika, isika manimba olona no simba voalohany”, hoy ihany izy. Ny firenena iray manontolo no mijery an’ireny. Lasa ny tsaho sy lainga ary ny filazana ratsy no lasa toy ny hoe marina sy iainana eto.

R. Nd.

Partager sur: