Tato anatin’ny enim-bolana voalohany: hita sahady ny fiantraikan’ny fanohanan’ny Base ny mponina

Maro sahady ny zava-bita, na tsy mbola miditra amin’ny lafiny fitrandrahana aza ny tetikasa Base. Tena nahitana taratra izany ny fiantraikan’ny tohana maro ho an’ny mponina.

Mitondra tsirim-panantenana ho an’ny mponina ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Miarina tsikeli­kely ny lafiny toekarena sy so­sialy any an-toerana, tao anatin’ izay enim-bolana izay. Nilaza ny sefo fokontany Belalanda, Randria Norbert Antoine, fa maro ny orinasa hitako nikatona taty Toliara. Irinay ny hahitan’ ny zanakay sy ny taranakay mifandimby asa ao amin’ny Base.
Nisongadina ny « Asa ta­namaro » ho an’ny mponina manodidina ny 6 000 any To­liara I sy II (Tsianisiha sy An­kilimalinike), nanomboka ny niverenan’ny orinasa nisokatra indray, ny novambra 2024 hatramin’ny avrily 2025 teo. Anisan’izany ny fanarenana ny vahilava any Nosy Magni­tsy, akaikin’ny morontsiraka Andaboy, ny fambolena taretra hiarovana ny fikisaky ny rivo-pasika, sns. Fitakiana nataon’ ny mponina daholo ny nanaovana an’ireo.

« Tanàna madio »
Teo koa ny fanadiovana ny lakandranom-pambolena any Besakoa, Ambohitsabo ary Anketraka, toy ny any Ando­ha­rano, Mamovoke ary Tsia­nisiha. Notsipihin’i Clément Jean Baptiste, sefo fokontany Anketraka, fa tena nilainay ity zava-bita ity, sady nanome­zana tambin-karama anay no nampandroso ny tanàna rahateo. Nohatsaraina ny lakandrano sy ny lalana ary ny tsena any Tsinjoariky sy Bekoaky. Manohana amin’ny fikaraka­rana ny fifaninanana « Tanàna madio » any Toliara, karakarain’ny fanjakana, ny orinasa Base. « Manampy amin’ny fanarenana ny lalan-dratsy ao an-tampon-tanàna izahay », hoy i Herimanana Jonathan, tomponandraikitry ny Fam­pandrosoana ny faritra sy ny sehatra tsy miankina ao amin’ ny Base.
Nambaran’i Normasy, mponina any Besakoa, fa niaraka tamin’ireo nanohitra ny tetikasa izy tany aloha, saingy tsapany, ankehitriny, fa tena nitondra tombontsoa maro ho azy ireo izy izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: