Orinasa Star: maherin’ny 1 500 nisitraka ny RSE

Naneho ny fiaraha-mientany amin’ny mponina any amin’ ny kaominina Tsiafajavona, distrika Ambatolampy, ny orinasa Star. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena ny hetsika Fandraisan’andraikitra ara-piarahamonina (RSE). Tanjona ny fitsinjovana sy fanomezan-tanana ny vondron’ olona eny ifotony. Miisa 600 ny tokantrano notoloran’ny orinasa vokatra ilaina andavanandro (PPN), ny 23 jona teo. Tsiahivina fa efa nisy ny fanohanana ny fanatanterahana sora-piankohonana faobe (jugement supplétif) miisa 540 tany amin’ity kaominina ity.
Nambaran’ny talen’ny fifandraisana Star, Randriam­bolamanana Seheno, fa endriky ny finiavan’ny orinasa hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy maharitra ny fandraisany andraikitra ara-piarahamonina (RSE). Ani­san’ ny vinavina manaraka ny hametrahana fotodrafitrasa hamo­karana rano fisotro madio any amin’ny faritra Vakinanka­ratra, izay efa eo am-piandrasana ny fahazoan-dalana. Hitondra ainga vao ho an’ny toekarena any amin’iny faritra iny izany, sady hampitombo ny hetra miditra amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.

Njaka A.

Partager sur: