Nanapa-kevitra ny hamerina ny hetra amin’ny zanabola amin’ny vola indramina amin’ny banky ny fanjakana. Nanda kosa anefa izy ireo ny hampidiran-ketra amin’ny vary sy ny rano.
Efa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola (LFI) 2025 ny famerana ny hetra amin’ny zanabola indramina eny amin’ny banky, araka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. «Tsy hetra vaovao izany fa fanafoanana ny fanalefahana ara-ketra napetraky ny fanjakana entina hanohanana ny toekarena, izay nesorina tao anatin’ny LFI», hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra. Notsindriny manokana fa manampy ara-teknika an’i Madagasikara amin’ny resaka hetra ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana nataony fa midangana ny fandaniana ara-ketra ateraky ny « incitation fiscale » eto amintsika izay mahatratra 3% ny harinkarena faobe (PIB). Araka izany, mampiahiahy ny habetsaky ny vola very amin’ny fanjakana izay mahatratra 2 400 miliara Ar. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Findramam-bola nohamoraina (Fec) ny tokony hanenana ny fandaniana ara-ketra hatrany amin’ny 280 miliara Ar isan-taona, mandritra ny telo taona. « Tsy ny mpiara-miombon’antoka no mandidy hoe inona no esorina. Isika, fanjakana, no misafidy an’izay incitation fiscale hoesorina, araka izay azo atao isan-taona », hoy hatrany ny minisitra. Takin’ny FMI ny hampidiran-ketra ny vary sy ny rano saingy nanda izany ny fanjakana noho izy ain-dehibe iankinan’ny firenena. « Aleon’ ny fanjakana nisafidy hametraka TVA amin’ny zanabola », hoy ny minisitra.
Tohana
Ankoatra izay, tanterahina eto amintsika mandritra ny roa andro (omaly sy androany) ny fivoriana iombonan’ny komity mpitantana ny Afritac Sud (AFS) sy ny Africa Training Institute (ATI).
Hetsika lehibe iarahana amin’ny FMI, izay mampivondrona ireo solontenan’ny firenena mpikambana 13 ao aminy. Mandray anjara ao anatin’izany ireo manam-pahaizana manokana, ny mpamatsy vola ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola manerana ny faritra Atsimon’i Afrika. Tanjona ny hanombanana ny zava-bita tamin’ny taon-dasa sy ny hamolavolana ireo laharam-pahamehana amin’ny fanofanana sy fanohanana ara-teknika amin’ny taona ho avy ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy fifampizarana traikefa eo amin’ny firenena mpikambana.
Henintsoa




