Fatiantoka ho an’ny firenena iray ny fako plastika miparitaka an-dranomasina. Mamono ny hazandrano izany sady manimba ny rohivoahary no mbola mamotika ny fiharian’ny mponina. Izany indrindra no antony hanatanterahana ny fivorian’ny « Glolitter Partneships », andiany faharoa, eto amintsika mandritra ny dimy andro, etsy Ankorondrano. Lohahevitry ny atrikasa «ny hampihenana sy hanafoanana tanteraka ny fako plastika an-dranomasina», izay andraisan’ireo firenena afrikanina voakasiky ny zava-misy anjara, toa an’i Togo, Gambie, Tanzanie, Soudan, Sénégal, Nigéria, Mozambique, Kenya, Cap Vert ary i Madagasikara. «Mahatratra 640 000 t isan-taona ny fako plastika anaty ranomasina aty Afrika. Miteraka fahavoazana goavana ny zava-misy noho izy loza mitatao, indrindra ho an’ireo hazandrano lehibe toa ny trozona», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Andrianaranintsoa Tilahy Désiré, omaly.
Lasibatry ny fiparitahan’ny fako plastika an-dranomasina i Madagasikara. Miantraika amin’ny toekarena manga izany. Mitondra ny traikefany mandritra ny atrikasa atao ny FAO sy ny OMI. Tanjona ny hampitombo ny fahafahan’ireo firenena hankatoa sy hampihatra ny fifanarahana iraisam-pirenena mifandraika amin’ny fandotoana ara-plastika an-dranomasina avy amin’ireo asa eny an-dranomasina. Voakasika ao anatin’izay ny fitaterana sy ny jono (SBMPL), eo koa ny fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika ny fisorohana ny fandotoana avy amin’ny sambo (Marpol Annex V) sy ny “Protocole de Londres” ary ny toromarika an-tsitrapo novolavolain’ny FAO.
Henintsoa




