VAOVAO TAMBATRA

Mifindra ao amin’ny Terminal international (TA) taloha, ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, manomboka ny 2 jolay, ny sidina anatiny rehetra. Voakasik’izany ny sidina MD 313 avy any Antsiranana andrasana ho avy ny andron’io. Hisy ny lamina apetraka eny an-toerana hanamorana ny fivezivezena ao anatin’ny Terminal.

Manodidina ny 550 ka hatramin’ny 600 tapitrisa dolara ny vola nalefan’ny diaspora malagasy any ivelany hamatsiana ny tetikasa misy eto Madagasikara, ny taona 2023. Voalaza fa manodidina ny 4 ka hatramin’ny 5 % amin’ny PIB io raha ny fanazavana azo, omaly, nandritra ny fihaonana nokarakarain’ny OIM sy ny Vondrona afrikanina tao amin’ny Carlton Anosy.

Manomboka amin’ny fanavaozana ara-teknolojia momba ny vola niomerika (cryptomonnaie) i Madagasikara. Nisy atrikasa nokarakarain’ny Samifin nandritra ny volana jona nametrahana ny fototra ho an’ny rafitra ara-dalàna. Ho fanohanana io hetsika io, nisy fiofanana roa natao ho an’ireo mpisehatra ho an’ny daholobe sy ny tsy miankina.

Partager sur: