Nasiam-panovana ny saran’ny solika manerana an’i Madagasikara, nanomboka omaly. Nihena 200 Ar izany ankehitriny, raha toa ka nampakarina 10 Ar, izy io teo aloha.
Nidina indray! Araka ny fanambarana navoakan’ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo, (OMH), omaly, nahitana fihenana 200 Ariary avy ny lasantsy sy ny gazoala. Nilatsaka 50 Ariary ny solika fandrehitra na ny “Petrole Lapant (PL)”. Lasa 5 320 Ar isaky ny litatra (l), araka izany, ny hanjifana ny lasantsy, raha toa ka 5 520 Ar/ l izany teo aloha. Niova ho 4900 Ar/l ny vidin’ny gazoala, raha 5 100 Ar/l izy io, ny volana jona teo. Farany, nivarina ho 3 380 Ar/l ny PL, raha 3430 Ar mialoha ity fanitsiana ity.
Natao izao ho fanohizana ny fampiharana ny fanitsiana ny vidin-tsolika hifanaraka amin’ny tena izy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, araka ny toromariky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Maro tamin’ireo mpanjifa no nankasitraka io fidinanana io, indrindra ho an’ireo olona mizaka tena, toy ny mpamily Taxi. “ Nisy akony lehibe ho anay ihany ny fidinan’ity solika ity, androany. Ary antenaina fa tsy dia hiakatra be intsony ny vidin’izy io, amin’ny volana manaraka eo”, hoy i Herintsoa, mpanamory Taxi iray eto an-drenivohitra.
Tsara ny mampahatsiahy fa tsy mihoatra ary tsy ho latsaky ny 200 Ar ny fiovan’ny vidin-tsolika eto Madagasikara, raha ny fifanarahana natao tamin’ny FMI.
Miakatra sy midina
Ny voalohan’ny volana jona teo, nasiana fanitsiana ny vidin-tsolika manerana ny Nosy. Tamin’io fotoana io, nampakarina 10 Ar ny saran’ny solika teto Madagasikara. Nilatsaka 200 Ar anefa izany ankehitriny. Raha ny fanambarana navoakan’ny OMH, omaly, nahitana fihenana manodidina ny telo isan-jato eo ny lasantsy, (-3,63%) sy ny gazoala, (-3,93 %), ary 1,46 % ny solika fandrehitra. Mety hiova ny vidin’io solika io amin’ny volana ambony, saingy tsy fantatra na hiakatra izany na hidina.
F.R




