Tsy manaiky ny sata vaovao: Mikasa hitokona ny mpiasan’ny Jirama

Nanao fivoriambe ny vondrona sendika, ny Tamba­ben’ny mpiasan’ny Jirama (TMJ), omaly, teny Man­droseza. Maherin’ny 3 000 ireo nanatrika ny fotoana, nifototra tamin’ny sata vaovao hifehy ny orinasa ny lahadinika. Tsy eken’ny mpiasa ny sata vaovao hamadihana ny Jirama ho lasa Orinasa tsy anavahana anarana (Société Anonyme) farany teo. Fantatra fa hiditra amin’ny fitokonana ny mpiasa raha tsy manaiky hiova hevitra ny fanjakana. Nambaran’ny mpitondra tenin’ny TMJ, fa tratra farany, hifantraran’ny rihitra ny mpiasan’ny Jirama manoloana ny olana diavina amin’izao fotoana izao. Adidin’ny fanjakana anefa ny mamaha azy. Tsy misy ny fitadiavana tombony ho an’ny olom-bitsy.
Marobe ireo nandray fitenenana, ary nisy koa ny niditra mivantana tamin’ny telefaonina, toy ny Tambaben’ny mpiasa any Toliara. Ho azy ireo, ho maro ny ho lasa tsy an’asa amin’ilay fampihenana ny isan’ny mpiasa, ka vao mainka hiteraka fatiantoka. Notakin’ny TMJ ny fialan’ny tale jeneraly ankehitriny, sady nomarihin’izy ireo fa tsy nisy nikitika ny satan’ny Jirama mihitsy ny tale jeneraly nifandimby teo aloha.
Tsiahivina fa anisan’ny fepetra, mifandray amin’ny fampindramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Tahirimbola hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro (FRD), ifanarahan’ny fanjakana sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ny hamoahana drafi-panarenana ny Jirama. Ao anatin’izany ny fanovana ny sata mifehy azy, sy ny fanatsarana ny fidiram-bolany.

Njaka A.

Partager sur: