Notontosaina ny 1 jolay teo, tao amin’ny Orange Digital Center, ny fanaovana sonia fanamafisana fiaraha-miasa stratejika vaovao, eo amin’ny Orange Madagascar sy ny Samsung. Natao nandritra ny hetsika “Let’s Lead the Future” izany. Tanjona ny hanohanana ny fanovana niomerika ataon’ireo orinasa malagasy amin’ny alalan’ny fitaovana sy teknolojia vaovao, azo antoka ary mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana.
Mifototra amin’ny fanavaozana ara-teknolojia sy fiarovana niomerika ity fiaraha-miasa ity. Nandritra ny hetsika, naseho ireo finday Samsung vaovao toy ny Galaxy S25 (S25, Plus, Ultra) sy Galaxy A (A06, A36, A56), izay efa ahitana faharanitantsaina artifisialy (IA). Tafiditra ao anatin’ny tolotra ara-barotra manokana ho an’ireo orinasa ao amin’ny Orange Madagascar ireo fitaovana ireo.
Samsung Knox Guard
Nampahafantarina tao ihany koa ny Samsung Knox Guard. Singa iray ahafahana manara-maso sy miaro lavitra ny fitaovan’ny mpiasa, manakana ny fidirana tsy nahazoan-dalana, ary miaro ireo angon-drakitra sarobidy. Mahafeno tanteraka ny filan’ireo orinasa malagasy, misehatra amin’ny fitantanana sy ny fahamailoana amin’ny lafiny niomerika izany.
“Tsy mijanona amin’ny teknolojia fotsiny ity fiaraha-miasa ity, fa mikendry ny hanohana ny toekarena eto an-toerana, amin’ny alalan’ny fitaovana azo antoka sy matanjaka, ary mifanaraka tsara amin’ny zava-misy eto an-toerana”, raha ny nambaran’i Fabrice André, filoha tale jeneralin’ny Orange Madagascar.
F.R




