Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro : Manamafy ny resaka fihariana eto Madagasikara ny Miradia

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo,
ny vovonana Miradia. Sehatra iray entina mampihary haingana ny Malagasy manoloana ny loza
ateraky ny toetr’andro.

Miradia ! Araka ny fanazavana azo omaly ta­min’ireo mpikarakara tetsy amin’ny Panorama, se­hatra iray ahitana fiaraha-miasa maro izy ity. Mampivon­drona ireo mpisehatra rehetra ary miara-misalahy amin’ny fanamafisana ny fanoherana sy ny fahafahana miarina amin’ny loza voajanahary mifandray amin’ny loza ateraky ny toetr’andro.
Mametraka paikady hanamorana ny fidirana amin’ny famatsiam-bola sy fiantohana manoloana ny loza izy ireo mba hahafahan’i Madagasi­kara miarina haingana sy mandray fepetra mialoha, hiatrehina ireo toetr’andro ratsy. Nandritra ny fanazavana azo teny an-toerana, fantatra fa i Madagasikara no anisan’ny firenena tena iharan’ny loza voajanahary eto Afrika ary anisan’ny marefo indrindra amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Tsiahivina fa teo anelanelan’ny taona 1961 – 2017, rivodoza maro no namely ny Nosy ka nahafaty olona an’arivony, nandrava trano maherin’ny 600 000, ary nisy fiantraikany tamin’olona mihoatra ny 4 ta­pitrisa. Tamin’ny taona 2022, rivodoza dimy no namely an’i Madagasikara tao anatin’ny roa volana ka olona 420 000 no niharan-doza.

Tanjona hapetraka

Manana tanjona lehibe apetraka ny sehatra. Ny voalohany amin’izany ny fanohanana ireo mpikambana. Ny faharoa, ny famelabelarana sy ny fanapariahana porofo. Ny farany, ny fandrindrana amin’
ny sehatra rehetra. Marihina fa sehatra iray iarahan’ny re­hetra miasa ho fiarovana an’i Madagasikara amin’ny loza ara-toetr’andro ny Miradia.
Niorina tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny Fivoriamben’ ireo lehiben’ny Mpikambana (AGO) izay notanterahina ny 9–11 aprily 2025, teto an-drenivohitra, izany. Novolavolain’ ny fikambanana Care sy ny Saf/FJKM miaraka amin’ny fanohanana sy ny fandraisana anjaran’ireo rafitra sy fikambanana maro ity vovonana iray ity.

F.R

Partager sur: