Tapaka ny tetezam-by « Pont Bailey » eo Andranotsara Namahoaka, any Mahambo, amin’ny lalam-pirenena faha-5, eo amin’ny PK 64, tamin’ity herinandro ity. Simba vokatry ny lanjan’entana tafahoatra, nentin’ny fiarabe mpitatitra iray, niditra teo amin’ilay tetezana. Nandray andraikitra avy hatrany ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny Fitantanam-paritra Atsinanana (DRTP) nandefa teknisianina teny an-toerana. Mandeha ny fanomanana ny asa fanarenana vonjy taitra. Misy ny fivilian-dalana vonjy maika napetraka azon’ny fiara tsy mataho-dalana (4×4) andehanana. Efa any an-toerana ny orinasa hiandraikitra ny fanamboaran-dalana ho an’ny fiara madinika. Ezahina ho vita mialoha ny faran’ity herinandro ity ny asa fanarenana, hamerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana haingana.
Ho hentitra ny fepetra horaisin’ny fanjakana mba tsy hiverenan’ny tranga toy izao intsony. Anisan’izany ny fanajana ny fetran’ny lanjan’entana entin’ny fiarabe amin’ny lalana, indrindra ny tetezana. Satria, iray amin’ireo antony mahatonga ny fahasimban’ny fotodrafitrasa miverimberina toy izao eto amitsika, miantraika amin’ny lafiny toekarena sy sosialy.
Njaka A.




