Fambolena: Fampirantiana vokatra 100% vita malagasy

Nanomboka omaly hatramin’ny 6 jolay izao ny varotra fampirantiana ny vokatra vita malagasy etsy amin’ny tokotany malalaka Carrefour Anko­rondrano. Tanjona ny hanomezan-danja ny fambolena vita malagasy 100%, indrindra ny vokatra biolojika, toy ny vary, ny voankazo, ny voatabia, ny sesame sy ny maro hafa. Ani­san’ny mandray anjara amin’ity hetsika ity ny Kaoperativa Mamisoa Fe­noarivobe Vohi­tsindry (KMF V), mpanodina kafe ho lasa vovony, efa vita anaty fonosana manaraka ny fenitra. To­raka izany koa, ny kaoperativa Manampatrana miray hina (MMH), miompy sy manodina ny tantely, tohanan’ny Fanda­haranasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Minae). Anisan’ny vo­ka­tra vita malagasy tsara kalitao hita eny koa, ny vovo-man­gahazo efa vita anaty fo­nosana manara-penitra, sns.
Mandray anjara rahateo amin’ny fampirantiana vokatra 100% vita malagasy ity minisitera ity. Hita eny ny karazana fandaharanasa sy tetikasa tanterahiny, na koa iarahany amin’ireo mpiara-miombon’ antoka isan-tsokajiny. Laha­ram-pahamehana ny fanomezana tosika hatrany ny tantsaha mpamokatra malagasy, hampiroboroboana ny famorana tantanin’ny fianakaviana, sady hampitomboana ny vola miditra isan-tokantrano. Ao anatin’izany ny fanohanana ara-teknika sy ara-pitantanana ny fikarohana lalam-barotra, sns. Satria, tanjona ny ha­natrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Njaka A.

Partager sur: