Mitentina 120 tapitrisa dolara ny vola hampindramin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny banky aziatika AIIB, ao anatin’ny Fandaharanasa PRRC any Havelo Mandrare. Ho vahaolana amin’ny tsy fahampian-drano any amin’ny faritra Anosy sy Androy ity tetikasa ity sady hanamboaran-dalana RN13 mirefy 142 km Amboasary- Tsivory, tohodrano, sns.
Miisa 20 ny jiro cobra napetaka ao amin’ny fokontany Ambatoharanana, boriborintany Antsiravaza Fianarantsoa I. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Hazavao ny elakelan-trano » ity hetsika ity, tanterahin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), miaraka amin’ny Jirama. Mbola hitohy ity ezaka ity entina hampisitrahana herinaratra ny isam-pokontany.
Hokojakojaina ny lalana RN7, eo amin’ny PK 360-PK 363 (3km), ny eo amin’ny PK 370-PK 410 (40km) any Fianarantsoa. Eo koa ny PK 799 eo Sakaraha hatrany amin’ny PK 932 Toliara, mirefy 133 km. Avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR) ny vola hanatanterahana ny asa. Hokojakojaina koa ny lalana RN 42, eo Fianarantsoa mankany Ikalamavony.




