Miara-miasa ny minisiteran’ny Fitsarana (Minjus) sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa). Natao ny 3 jolay teo ny santa-bokatra tany amin’ny tanimbolin’ny Fonja, any amin’ny kaominina Andonaka, distrika Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony. Nahatratra 200 taonina ny mangahazo vokatra tamina velaran-tany 130 ha. Notsipihin’ny Sekereteram-panjakana, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa tanjona amin’ny hoavy ny hanitarana izany amin’ny seha-pihariana hafa, toy ny vary sy ny tsaramaso, satria midadasika ny tany sady vonona ihany koa ny olona hiantsoroka sy hanatanteraka izany. Notsindriny koa fa « tsy fonja fotsiny ny eto Andonaka, fa ho lasa toeram-pamokarana. Satria, ho lasa loharanonaina ho an’ny voafonja tsirairay ny fahaiza-manao sy ny fahazarana azony teto rehefa tafaverina any amin’ny fiarahamonina indray izy ireo».
Fampiofanana marolafy
Hanohana ara-teknika sy ny famatsiana masomboly mendrika, tsara kalitao, ny Sesa. Tsy ho famokarana fotsiny, fa hisy ny fampiofanana marolafy, toy ny fitantanana amin’ny fomba mahomby sy ny fanodinam-bokatra. Miparitaka manerana ny faritra maro ity fiaraha-miasan’ny Sesa sy ny Minjus ity, ahafahan’ny fonja hahaleo tena ara-tsakafo, ka hamokatra izay sakafo ilainy.
Njaka A.




